Inona no atao hoe fadim-bolana na “règle” ?
Ny fadim-bola dia fikorianan’ny rà avy ao amin’ny fivaviana isam-bolana izay miatomboka amin’ny vanim-potoana fahamoatiana na “puberté” ary mifarana rehefa tonga ny ménopause. Mety maharitra mandritra ny 3 andro ka hatramin’ny 7 andro arakaraky ny toe-batan’ny vehivavy iray ny fadim-bolana. Midika fa efa afaka mitondra vohoka ny tovovavy iray raha manao firaisana ara-nofo ny fahatongavany.
Inona avy ireo fahamantarana na “symptôme” mialohan’ny fadim-bolana ?
Maro karazany izy ireo ary miankina amin’ny toe-batan’ny vehivavy tsirairay anefa no mampisy azy na tsia. Ireto ary misy famantarana mateti-pitranga rehefa ho avy ny fadim-bolana :
– Marary ny nono
– Marary ny kibo
– Marary eo ambanin’ny lamosina
– Reraka
– Somary mibotsina kely ny kibo (sahala amin’ny hoe misy rivotra)
– Marary ny vanin-tolana
– Somary lasa misimisy mony
– Tsy dia mahita tory
Aza misalasala ary mandefa hafatra miafina raha misy tianareo anontaniana