Hitsy Immo

Trano ahofa – Tompony mivantana

Real Estate Send message Agence Soleil immobilier Madagascar HAFA NY BOKY KADASITRA HAFA NY BOKY TITRA HAFA NY KARATANY. TSY TOKONY HO AFANGARO 1- Inona moa izany kadasitra izany? Ny kadasitra (BOKY TANY IOMBONANA) dia: fomba iray hanomezana Titra fa

Real Estate
Send message
Agence Soleil immobilier Madagascar
HAFA NY BOKY KADASITRA
HAFA NY BOKY TITRA
HAFA NY KARATANY.
TSY TOKONY HO AFANGARO
1-
Inona moa izany kadasitra izany?
Ny kadasitra (BOKY TANY IOMBONANA) dia: fomba iray hanomezana Titra faobe amin’ny toerana voafaritra mazava tsara izay
fanapahan-kevitry ny Fanjakana mba entina hiarovana ny zo amin’ny tany, ny Fitsarana mitety VOHITRA no tompon’ Andraikitra @zany (TTA).
2-
inona moa izany atao hoe TITRA izany?
Ny Boky Titra Dia: Taratasy manamarina fa tompon’ny tany ara-dalàna ny olona iray ary manana Zo feno
• Mampiasa ny tany;
• Mioty ny vokatry ny tany;
• Mivarotra na mangataka antoka amin’ny tany.
mitombona sy voaaro ny Zo@Fananantany rehefa manana TITRA ny olona iray.
Ny DGSF (Direction Générale des services fonciers) no Tompon’ Andraikitra @ izany.
3-
Inona moa izany atao hoe KARATANY izany??
Ny atao hoe KARATANY Kosa dia: Taratasy Fanamarinana ny ZO FITOMPOANA Fananan’Tany.
Ny BIF (Birao Ifotony Fananan’Tany) no tompon’ Andraikitra@zany
IRETO AVY NY TEKNIKA TSOTRA RAHA MIKASA HIVIDY TANY/TRANO ARA-DALÀNA MBA TSY HO VOASOLOKY:
Teknika 1: ilaina ny fijerevana ifotony an’ ilay Tany kasaina ho vidiana.
Teknika 2: Manontany ny mponina mipetraka manodidina ilay Tany sao sanatria misy ady ara pitsarana ilay Tany.
Teknika 3: Alohan’ny hanaovana Acte de Vente na Vodiondrimbarotra sns dia mila omanin’ny mpivarotra ireto taratasy manaraka ireto:
Certificat d’immatriculation et de situation juridique Latsaky ny telo volana ka mila
Jerena tsara sao misy fampahafantarana ady
Jerena tsara sao natao antobola
Jerena tsara sao misy vesatra
Jerena tsara sao boky rovitra sns….
Dika mitovy ny kara-panondrom pirenena an’ny Mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona vita Fanamarin’tsonia
Saritany 03 na 05 Latsaky ny telo volana ka ny iray asiana coordonnées Laborde
Fanamarinam’ ponenan’ny mpividy sy mpivarotra latsaky ny telovolana
Taratasy fiantohana soniavin’ny mpivarotra sy mpividy légalisé en forme foncier 02.
Taratasy fangatahana famindrana miaraka @anarana vaovao Tiana omena ilay Tany légaliser soniavin’ny Mpividy ihany 02
Autorisation de transaction immobilière 01 alaina any@ ministère de l’aménagement du territoire
Boky TITRA na BOKY KADASITRA
Misafidy ny hanaovana ny fifampivarotana na Acte Notarié na acte authentique na acte sous seing privé
Mila Tonga eo daholo ny mpivarotra sy ny mpividy ary ny vavolombelona @ fotoana hanaovana ny fifampivarotana fa raha tsy izay dia mila fanomezam’ pahefana
Raha mpandova no MIVAROTRA dia mila Arahina Tsara ny lalànan’ny Fandovana……
Raha fandovana misy didim-pananana kosa dia tsy maintsy tanterahina izay voarakitra ao anatiny sy ny lalàna momba izany
TANDREMO
TSY MAINTSY MILA NOTAIRE TOMPOKO REHEFA MIHOATRA NY 15 MILLIONS AR NY VIDIN’NY TRANO NA TANY KASAINAO HO VIDIANA
Arrêté N° 30 286/2011 t@17 OKTOBRA 2011
TANDREMO
AO @ KAOMININA MISY ILAY TANY IHANY NO ATAO NY FIFAMPIVAROTANA RAHA LATSAKY NY 15 MILLIONS AR ILAY TANY HO VIDIANA FA TSY ANY@ KAOMININA HAFA MANODIDINA
TANDREMO
ENY@SAMPANA FANDOAVAN’-KETRA MISY ILAY TANY IHANY NO HANAOVANA NY ENREGISTREMENT AN’ IREO ACTE DE VENTE FA TSY ANY@SAMPANA FANDOAVAN’ KETRA HAFA IVELANY.
TANDREMO
NY VOLA OMENA NY AGENCE IMMOBILIÈRE, NA MPANERA NA MPANELANELANA @FIFAMPIVAROTANA DIA: TSY LATSAKA ARY TSY MIHOATRAN’NY
2,5% HATRAMIN’NY 10%
IRETO NY AMPAHANY@ IREO ZAVA DOZA MILA TANDREMANA REHEFA HIVIDY TANY NA TRANO:
FADIO NY MIVIDY TANY MISY PRÉNOTATION
FADIO NY MIVIDY TANY BOKY ROVITRA
FADIO NY MIVIDY TANY VAO ANDALA-PANGATAHANA PRESCRIPTION ACQUISITIVE
FADIO NY MIVIDY TANIMPANJAKANA AMIN’OLO TSOTRA
FADIO NY MIVIDY TANY TSY MISY BOKITANY TITRA NA KADASITRA NA KARATANY
FADIO NY MIVIDY TANY RAHA ACTE DE VENTE FOTSINY NO ENTIN’NY MPIVAROTRA HIVAROTANA ILAY TANY
FADIO NY MIVIDY TANY NATAO DONATION TAO@FOKONTANY
FADIO NY MIVIDY TANY NATAO ACTE DE VENTE TAO@ FOKONTANY.
SNS…………….
FANAMARIHANA
Aza adino mihitsy ny maka mpandrefitany matianina (géomètre expert de Madagascar assermenté) mba hanao ny morcellement na hamaritra ny fetran’ny Tany kasainao ho vidiana (délimitation) mialohan’ny HANAOVANA FIFANARAHANA ARA BAROTRA.
VOLA EFAINA AO@ KAOMININA REHEFA MANAO ACTE DE VENTE
@ankapobeny dia Tsy mihoatra ny 2,5%n’ny vidin’ny tany no efainao ao amin’ny kaominina* ary misy « droit fixe » ampiarahin’ny Kaominina @zany arakaraky ny « acte de vente » ataonao.
« ENREGISTREMENT »
Rehefa vita ny fifampivarotana dia: maka ny teti-bidin’ny hetra tokony haloa noho ny fifampivarotana natao (détermination des valeurs administratives du terrains).
Taratasy entina: Bokitany Titra na Kadasitra, CSJ latsaky ny 03 Volana, Acte de vente 5 vita sonian’ny mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona, plan 5 vita sonian’ny mpividy sy mpivarotra sy ny vavolombelona, autorisation de transaction immobilière », sy ny photocopie Cin légaliser an’ny rehetra.
Toerana alehanao: Eny@ centre fiscal misy ilay Tany ihany
Tsy voatery efaina eo noho eo ny hetra.
Misy sazy noho ny fahatarana anefa raha toa ka tara loatra ny fanaovana ny enregistrement (pénalité de retard)
Erinandro aorian’ny fandoavan-ketra no mivoaka ireo antontan-taratasy manamarina fa vita ny « enregistrement ».
@ankapobeny dia 10%n’ny vidin’ny tany no hetra tokony ho efainao.
« MUTATION PAR VENTE
Famindràna ny tany ho amin’ny anaran’ny MPIVIDY »
Rehefa voaefa ny hetra dia azo atao ny famindrana ny tany ho amin’ny anaran’ny mpividy. Any amin’ny sampan-draharaha miadidy ny fananan-tany DDPF misahana ilay Tany no manao ny FAMINDRANA.
Ireto avy ary ny taratasy ilaina raha hanao famindrana azo t@fifampivarotana
(Mutation par vente en Totalité ou morcellement)
Acte de vente enregistré + plan enregistré + CSJ latsaky ny 3 volana + BOKY TITRA NA KADASITRA+ dika mitovy ara-dalàn’ny ireo karampanondrom-pirenen’ny mpividy sy ny mpivarotra sy ny vavolombelona + fangatahana famindrana (demande de mutation) alaina ao@ Box+ lettre d’engagements de mutation.
Ataovy anaty papier chemise madio tsara ireo taratasy rehetra ireo ka atero avy hatrany ao@ireo tompon’andraikitra
RAHA MBOLA TSY MAHATOKY TENA DIA: IANGAVIANA IANAO MBA HANANTONA IREO MPAHAY LALÀNA AKAIKY ANAO: NOTERA, HUISSIER AVOCAT SNS…
NA MBA MIANTSO ANAY AGENCE SOLEIL IMMOBILIER MADAGASCAR.
AGENCE SOLEIL IMMOBILIER MADAGASCAR 0343263458

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *